– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
– Ny 11 Jolay 2026, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina, tao amin’ny Fokontany Mahabo, Kaominina Ambanivohitra Maheriraty, Distrikan’i Farafangana, lehilahy iray 27 taona no tra-tehaka miaraka amin’ny basy poleta vita Gasy taorian’ny fisavàna ny trano fonenany ka nosamborina avy hatrany ary nentina natao famotorana.
– Fantatra fa ahofa amina jiolahy ity fitaovam-piadiana ity ka mitohy avy hatrany moa ny fanadihadiana mba hamantarana ireo olona rehetra voakasik’ity raharaha ity.
– Ankasitrahana ny olona tsara sitra-po nahazoana izao loharanom-baovao izao ka nahafahana mandray andraikitra.

 

FARAFANGANA : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FITAZONANA BASY VITA GASY TSY ARA-DALÀNA

Vous pourrez aussi aimer