– Ho fanamafisana ny ady amin’ny fahaverezana olombelona dia nanara-maso ny fizotran’ny asa tetsy amin’ny « Centre Opérationnel Anti-Enlèvement », etsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, ny Alatsinainy 13 Jolay 2026 hariva, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Nandritra izany fitsidihana izany dia notsirihin’Andriamatoa Minisitra ny fandrosoan’ny asa sy ny fomba fiasan’ity foibe ity, izay efa nijoro nandritra ny herinandro, nanomboka ny 08 Jolay 2026.
– Raha ny tatitra azo dia nahitàna fahombiazana ny asa satria efa maro ireo zaza nolazaina fa very no tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany, vokatry ny ezaka nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fiaraha-miasan’ireo sampan-draharaha rehetra voakasika fa indrindra ny fanampiana avy amin’ny olona tsara sitra-po.

ADY AMIN’NY FAHAVEREZANA OLONA ETO MADAGASIKARA : NITSIDIKA NY « CENTRE OPÉRATIONNEL ANTI-ENLÈVEMENT » AO AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE TSARALALANA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer