– Tonga tao amin’ny Kaomisaria boriboritany faha efatra etsy Mahamasina ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny alarobia 08 Jolay 2026 nilaza fa misy olona mpiandry fanadinana BEPC nanome laharana finday ireo mpianatra ary milaza fa mahafaka fanadinana ka tamin’izany dia manome vola 100.000Ariary dia afaka tsy misy ahiahy.
- Nanao ny fikarohana sy ny fanadihadiana ary ny velampandrika avy hatrany ny Polisy ka vehivavy iray 31 taona no voasambotra io andro io ihany tokony tamin’ny 04 ora hariva teo akaikin’ny farmasia Volahanta Anosibe.
-Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy nanaovana fanadihadiana ka rehefa natolotra ny Fampanoavana ny 13 Jolay 2026 ity vehivavy ity dia notanana eny amin’ny fonjan’ Antanimora.
-Manentana ny rehetra hahasahy hitoroka ireo mpanakorontana saim-bahoaka amin’ny hosoka sy fitaka isan-karazany manodidina ireo fanadinam-panjakàna.
-Ho an’ireo zandry miatrika ireny fanadinana ireny dia mirary soa azy ireo sy mamporisika mba hizotra amin’ny lalan’ny fahamarinana sy hiezaka amin’ny herin’ny tena manokana ka ho tonga olom-pirenena vanona.
