🙌 Nitety ireo ivon-toeram-panadinana mandray ny Bakalorea teto Antananarivo sy ny manodidina andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL. Natomboka teny amin’ny CEG Alasora izany, teny Nanisàna, Lycée Faravohitra ary tao amin’ny LMA Ampefiloha.
🟢 Nanome toromarika sy nankahery ireo mpitandro ny filaminana miantoka ny fandriam-pahalemana anatiny sy manodidina ny ivontoeram-panadinana Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka. Nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra toy ny lehiben’ny distrika, ny lehiben’ny ivon-toeram-panadinana izy, nidinika ny momba ireo lamina napetraka sy izay fanatsaràna mety ho azo atao.
🤝Nitafa tamin’ireo raiamandreny nanaraka ny zanany miatrika ny fanadinana Bakalorea ihany koa andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, nirary soa indrindra ho an’ireo tanora manala fanadinana ; nanentana ihany koa izy mba tsy hisalasala hanatona ny mpitandro ny filaminana eny an-kianja raha misy ilàna izany satria dia ho eo anilan’ny vahoaka tokoa.

