🔹 Lehilahy iray 24 taona no voasambotry ny Polisy tao Maintirano ny harivan’ny 19 Jolay 2026.
Tompon’antoka tamin’ny fanendahana sy fanolanana vehivavy iray izy, tranga izay niseho tao amin’ny fokontany Mangotroky, kaominina Maintirano.
Niharan’ity herisetra ity ilay vehivavy ny atoandron’io andro io, saingy efa tafaporitsaka ny tenany rehefa niantso vonjy ny niharam-boina.
🔹 Tokony ho tamin’ny 05 ora hariva, hitan’ilay niharam-boina tao Mangotroky indray ilay lehilahy ka niantso vonjy avy hatrany izy.
Nifanenjehan’ny fokonolona izy ary voasambotra, nandritra izany nisy napandre ny Polisy izay nandray azy sy nitondra azy teny amin’ny Kaomisarian’ny Filaminambahoaka Maintirano hanaovana ny fanadihadiana.
⚖️ Mitohy ny famotorana ny raharaha ary ho atolotra ny fampanoavana rehefa vita izany
MELAKY – MAINTIRANO: LEHILAHY IRAY 24 TAONA NANENDAKA SY NANOLANA VOASAMBOTRA NY POLISIMPIRENENA
