🚔 Nanatanteraka fisafoana faobe tamin’ny alalan’ny fiara sy mandeha an-tongotra manerana an’Antananarivo Renivohitra ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe sy ireo Kaomisaria miisa valo, niaraka tamin’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana (FDS), ny alin’ny 07 Novambra 2026.
👮‍♂️ Nialoha izany dia nisy ny dinidinika sy ny fanomezana toromarika momba ny fandriam-pahalemana sy ny fifamoivoizana, tao amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, ka notarihin’ny lehiben’ny Kaomisaria Foibe, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys.
🔎 Notarihin’ny Lehiben’ny Kaomisaria lefitra, ny Commissaire Principal de Police RANDRIAMPARANY Ted Steven, niaraka tamin’ireo Lehiben’ny Kaomisaria eto Antananarivo sy ny rahalahy avy ao amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana dia ny Tafika malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena, ny fidinana ifotony.
🚨 Fisafoana, fisavana kara-panondro ary fanaraha-maso ireo faritra ahiana sy toeram-pandihizana no natao, ka nipaka hatrany Ampanefy Soavina, Anosibe, Trano Dimy, Ampefiloha Ambodirano, Ampasika, 67 Ha Ankasina, Analakely ary Bevalala izany.
📊 Nahatratra 28 ireo olona tsy nanana kara-panondro ka nentina tany amin’ny biraon’ny Polisy ho raisina ny mombamomba azy sy hanaovana fanadihadiana fototra ; miisa 06 ireo nahitàna fitaovam-piadiana mampiahiahy ka nanokafana fanadihadiana ary miisa 02 ireo nitondra kodiaran-droa tao anatin’ny hamamoana.
✅ Ny hetsika tahaka izao dia hitohy hatrany ary manentana ny rehetra hitazona ny laharana findain’ny mpitandro ny filaminana hahafahana mampilaza haingana raha misy trangana tsy fandriam-pahalemana na mampiahiahy.
☎️ Ireto ireo laharana ahafahana miantso ny Polisimpirenena eto Antananarivo sy ny manodidina.
📍 CSP 1 (1er Arr.) – Analakely : 034 05 998 28
📍 CSP 2 (2ème Arr.) – Ambohijatovo : 034 05 998 30
📍 CSP 3 (3ème Arr.) – Antaninandro : 034 05 998 32
📍 CSP 4 (4ème Arr.) – Isotry : 034 05 998 34
📍 CSP 5 (5ème Arr.) – Mahamasina : 034 07 517 16
📍 CSP 6 (6ème Arr.) – Ambohimanarina : 034 05 517 12
📍 CSP 7 (7ème Arr.) – 67 Ha : 034 05 517 13
📍 CSP 8 (8ème Arr.) – Analamahitsy : 034 05 517 14
📍 UIR : 034 05 517 22
📍 Commissariat Central (Tsaralalana – Intervention) : 034 05 531 20
📍 C.C. Tanjombato : 034 05 998 44
📍 C.S.P. Itaosy : 034 05 517 16
📍 C.C. Sabotsy Namehana : 034 05 998 11
📍 PPP Antaniavo : 034 64 859 60
📍 PPP Ilanivato : 034 05 517 08
📍 PPA Ampefiloha : 034 07 517 09
📍 PPA Ankorondrano : 034 05 531 28
📍 PPA Loharanombato : 034 05 517 11
📍 PPA Ampanefy : 034 05 703 69
📍 PPA Soavina : 034 07 517 22
📍 PPA Ankaraobato : 034 05 703 68
📍 PPA Mahabo : 034 05 703 67
📍 PPA Ampasika : 034 05 703 66
📍 PPA Ampahibato Alasora : 034 05 703 64
🚔 UIR – Tsaralalana : 034 05 517 22
👮 BFP – Tsaralalana : 034 05 350 13
🚨 SAG – Anosy : 034 07 517 10
⚡ USI – Antanimora : 034 05 517 21
🚓 FIP – Antanimora : 034 07 517 07
👨‍👩‍👧 PMPM – Tsaralalana : 034 05 703 73
🚔 BAC – Tsaralalana : 034 05 517 24

ANTANANARIVO : MITOHY NY HETSIKA « TASK FORCE MAHOMBY » HO FANAMAFISANA NY FANDRIAM-PAHALEMANA HIARAHAN’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA (FDS)

Vous pourrez aussi aimer