-Ady amin’ny fanaovana hosoka
– Vola sandoka 600 000 000 Ariary, na 3 miliara FMG, no tratran’ny Polisimpirenena ao amin’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fandikan-dalàna ara-toekarena an’ny DRSP Atsinanana, ny 06 Novambra 2026, teo akaikin’ny Lycée II Suburbain Toamasina.
– Angom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahafantarana ny fisian’ireo vola sandoka ireo ka nanomboka ny fikarohana izay mety ho voasaringotra amin’ity raharaha ity ny Polisy nanomboka teo.
– Ny 11 Novambra 2026, dia vehivavy iray 39 taona, ahiahiana ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity, no voasambotra nandritra ny vela-pandrika natao.
– Nandritra ny fisavàna ny tranony dia nahitàna milina fanontam-pirinty miisa roa, izay nampiasaina tamin’ny fanamboarana ireo vola sandoka ireo izy.
– Efa natao andrimaso ilay vehivavy hanohizana ny fanadihadiana ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
