– Notanterahina androany 12 Novambra 2026 tetsy Mahazoarivo ny fametrahana ny vato fototra ho fanorenana Poste de Police vaovao, izay ho toeram-piadidian’ny Kaomisaria ao amin’ny Boriborintany faharoa.
– Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisimpirenena sy ny ACEP Madagascar izany noho ny fifampitokisana.
– Tonga nanome voninahitra sy nanatanteraka ny fametrahana ny vato fototra tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, notronin’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka. Teo ihany koa ny Tale Jeneralin’ny ACEP Madagascar, Andriamatoa Mahefa RANDRIAMIARISOA, ny solontenan’ny Fiadidiana ny Repoblika, Andriamatoa Armel PATRICK, ary ny Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo II, Atoa RANDRIAMITSIRY José.
– Tanjona amin’ity tetikasa ity ny fanamafisana sy fampiroboroboana ny fandriampahalemana eny ifotony ary ny fanatanterahana hatrany ny Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka.
– Ankoatra ny fanolorana ity fotodrafitrasa vaovao ity, dia nisy ihany koa ireo fanampiana hafa natolotra ho an’ny Polisimpirenena, toy ny kodiaran-droa sy ireo kojakoja fampiasa amin’ny birao.
– Fiaraha-mientana lehibe izay maneho ny finiavana sy ny fahavononan’ny roa tonta hiara-hiasa amin’ny fanatsarana ny asa sy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.







