– Fiarovana ny zaza sy ny olona marefo
– Nisy zazavavy kely 7 taona very tao amin’ny Fokontany Antanjombe Avaratra, Distrika Antananarivo VI, ny Alahady 15 Novambra 2026, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.
– Vantany vao naharay ny fampandrenesana avy amin’ny Lehiben’ny Fokontany ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Ambohimanarina, dia nandray andraikitra avy hatrany tamin’ny fikarohana, niaraka tamin’ny fianakaviana sy ny tompon’andraikitry ny Fokontany.
– Vokatry ny fikarohana dia hita soa aman-tsara ilay zaza tamin’ny 10 ora sy sasany alina tao Ambohimanarina, ary nentina tao amin’ny Kaomisaria mba hiantohana ny fiarovana azy mandra-pahatongan’ny ray aman-dreniny haka azy.
– Isaorana ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ireo fianankaviany sy ny Fonkotany ka nanamora ny fitadiavana ilay zaza.
– Entanina hatrany ny rehetra amin’ny fanaraha-maso ireo zaza sy hampandre ny manam-pahefàna raha misy tranga mampiahiahy.

 

AMBOHIMANARINA : ZAZAVAVY KELY VERY, TAFAVERINA SOA AMAN-TSARA AMIN’NY FIANAKAVIANY REHEFA NANAO FIKAROHANA NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer