– Notanterahina ny 30 Aprily 2026 tetsy Nanisana, tao amin’ny efitrano IVOTORO, ny adihevitra niarahan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, misy ny Tafika, ny Polisimpirenena ary ny Zandary, niaraka tamin’ny mpanao gazety ; niresahana momba ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ; ny ahafahana mifanampy sy mifanome tanana amin’ny asa ; sy ny momba ny fiarovana ny mpanao gazety eny an-kianja, indrindra rehefa misy ny fanangonam-baovao momba ny fihetsiketsehana.
Tafiditra anatin’ireo hetsika fanamarihana ny andro maneran-tany ho fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izy ity, izay ankalazaina isaka ny 3 Mey.
– Nisolo tena ny Polisimpirenena ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor.

ASAN’NY MPITANDRO FILAMINANANA SY FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY : ANDRAIKITRA IOMBONAN’NY REHETRA

Vous pourrez aussi aimer