🛡️Mitohy hatrany ny hetsika « MAHOMBY » ary ahitàm-bokany
🚨Nahitam-bokatra ny ezaka manokana amin’ny ady amin’ny vaky trano sy ny halatra voly eny an-tsaha tanterahin’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa. Olon-dratsy roa no voasambotra nandritra ny fisafoana natao tamin’ireo faritra mafàna.
🏠Ny 28 Aprily 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tao amin’ny fokotany Antsororokavo, lehilahy iray 21 taona no tratra ambodiomby teo am-pamahĂ na varavaran’olona tamin’ny alalan’ny « burin ».
Efa niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana.
🌾Ny faharoa kosa dia ny 30 Aprily 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, ho fampitsaharana ny fitarainan’ny mponina manoloana ny firongatry ny halatra vokatra eny an-tsaha, dia nampitomboina ny fisafoana tamin’ny faritra Ambatomainty.
⚠️Lehilahy iray 30 taona indray no voasambotry ny Polisimpirenena teo am-pangalarana mangahazo sy fary. Niaiky ny heloka nataony koa ity lehilahy ity nandritra ny famotorana natao taminy.
⚖️ Samy nidoboka am-ponja avokoa izy roalahy rehefa natolotra ny Fampanoavana ny 04 Mey 2026.
Manao ny ezaka sy paikady rehetra ahafahana mametraka ny fandriam-pahalemana maharitra ny Polisimpirenena. Ny mpiray Tanindrazana kosa dia amporisihina amin’ny fahamailoana sy fitandremana hatrany, fa indrindra ny fitorohana ireo olon-dratsy.

FIANARANTSOA: MPANGALATRA SY MPAMAKY TRANO ROA LAHY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA, NIDOBOKA AM-PONJA

Vous pourrez aussi aimer