🎯Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena ao Fianarantsoa amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ary hita fa mametraka fahatokisana amin’ny Polisy ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampitam-baovao sy fitorohana ireo tranga miseho eny anivon’ny fiaraha-monina.
👮Jiolahy miisa telo no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa taorian’ireo fitarainana voaray mahakasika vaky trano sy halatra.
🔹 Raharaha vaky trano teny Sahalava
Taorian’ny fikarohana sy fanadihadiana nataon’ny Polisy momba ny vaky trano nitranga tao Sahalava ny herinandro teo dia lehilahy iray 23 taona no voasambotra ny 12 May 2026. Nandritra ny fisavana natao taminy no nahitana solosaina sy finday halatra tao aminy. Niaiky nandritra ny famotorana ity lehilahy ity fa isan’ireo nanatanteraka vaky trano miisa efatra tao amin’io fokontany io izy, ary nanondro ireo namany roa lahy mpividy ireo entana halatra izay efa karohina ihany koa.
🔹 Halatra vola tao amin’ny trano fandraisam-bahiny
Ny 13 May 2026 indray, lehilahy iray mivahiny ao Fianarantsoa no nampandre ireo Polisy nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny fiantsonan’ny fiara atsimon’i Fianarantsoa fa nisy nangalatra tao amin’ny trano fandraisam-bahiny nitoerany ny volany 3.100.000 ariary. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana ka tsy ela dia voasambotra ireo olona roa lehilahy sy Vehivavy tompon’antoka tamin’izany noho ny fampiasàna ny fahaiza-manoan’ireo Polisy. Mbola hita teny amin’izy ireo ny vola nangalarina ka efa tafaverina amin’ilay tompony.
📌 Natolotra ny Fampanoavana ny 15 May 2026 ireto voarohirohy ireto ary nidoboka am-ponja avokoa.
⚠️ Manentana hatrany ny vahoaka ny Polisimpirenena mba tsy hisalasala hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana raha sendra trangana tsy fandriam-pahalemana eny anivon’ny fiaraha-monina.

FIANARANTSOA : JIOLAHY MPAMAKY TRANO MIISA TELO NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA NY HETSIKA MAHOMBY

Vous pourrez aussi aimer