-Notontosaina androany 16 Jolay 2026 eto amin’ny Village Voara, ny lanonana fanomezana taratasy Fanamarinam-pahaizana ho an’ireo Polisy vehivavy miisa 29 nanantanteraka fiofanana mahakasika ny Fitondrana kodiaran-droa na antsoina hoe « Motard » eto anivon’ny Polisimpirenena.
-Tonga nanome voninahitra izany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor sy ireo Tale isanisany eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Naharitra 5 volana moa izany fiofanana izany ka ny teo anivon’ny « Compagne Mobile Urbaine de Circulation » na CMUC ao amin’ny Kaomisaria foibe ao Tsaralalana no nampiofana, teo ambanin’ny fitarihan’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny fiofanana mitohy (DRFC) etsy Antanimora.
-Marihana fa ireto vehivavy Polisy ireto no andiany voalohany misantatra izao fiofanana mitondra kodiaran-droa eto anivon’ny Polisimpirenena izao dia ny « Brigade Motard Féminine ». Efa nandray anjara tamin’ny matso lehibe izay notanterahina tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena teo Mahamasina izy ireo ny 26 Jona 2026.
-Ny tena andraikitra sahanin’izy ireto amin’ny maha « Motard » azy dia ny misava lalana ireo mpitondra ambony sy olona manan-kaja toy ny Filoham-pirenena, filohana andrim-panjakana sy ny vahiny manan-kaja tonga eto an-toerana.
– Afaka miditra an-tsehatra amin’ny fandrindràna ny fifamoivoizana ihany koa izy ireo ankoatra ny fanaovana asan’ny Polisy amin’ny sakana eny amin’ny fidirana sy fivoahana ny tanàna.

FANDRINDRANA NY FIFAMOIVOIZANA : TONTOSA NY FAMPIOFANANA IREO VEHIVAVY POLISY EO AMIN’NY SEHATRA FITONDRANA KODIARAN-DROA

Vous pourrez aussi aimer