– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka.
– Notanterahina ny Zoma 14 Aogositra 2026 ny lanonam-pitokanana amin’ny fomba ofisialy ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Boeny vaovao ao Fiofio, Mahajanga.
Fotodrafitrasa natao hanamafisana ny fandriam-pahalemana sy hanatsarana hatrany ny tolotra omena ny vahoaka.
– Tonga nitokana izany Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, niaraka tamin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana ny Repoblika, Ramatoa RAZAFIMANATSOA Hanitra, ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’Asa, Andriamatoa ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, ary ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina. Teo ihany koa ireo Solombavambahoaka sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila isan-tsokajiny, ireo olom-boafidy ary ireo raiamandreny teny an-toerana.
– Nandritra ny lahatenin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka dia nisaotra sy nankasitraka ny Fitondram-panjakana izy noho ny nahafahana nitokana sy mampiasa izao fotodrafitrasa izao.
-Notsindriany fa tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fitondràna Fanavaozana ny fananganana Fanjakana tan-dalàna, indrindra ny fanamafisana ny fisian’ny Fanjakana eny ifotony ka miantraika mivantana amin’ ny fiainam-bahoaka ny asa izay hatao. Ahafahana manatanteraka izany izao fotodrafitrasa izao mba hahafahan’ny Polisimpirenena miaro ny olona sy ny fananany, ary indrindra miady amin’ny kolikoly sy ny asan-jiolahy ary ireo karazana tranga mampisy tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny faritra.
– Ireo tompon’andraikitra eny ifotony nifandimby nandray fitenenana dia nankasitraka ny Fitondram-panjakana satria tsapa mivaingana fa tena fitsinjovana ny vahoaka izao ny fampiasàna izao fotodrafitrasa vaovao izao.










