– Ady amin’ny asan-jiolahy sy fanajàna ny soatoavina
– Lehilahy telo no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny DRSP Anôsy nitondra taolam-paty iray gony ny 16 Oktobra 2026.
– Araka ny fanadihadiana, dia tany Taviala, Kaominina Ambanivohitra Manambaro, no misy ny fasana nakan’izy ireo taolam-balo ary nitadiavana mpividy tao Taolagnaro izany.
– Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fampanoavana ny 20 Oktobra 2026 ireo voarohirohy ireo, ary nidoboka ao amin’ny fonjaben’i Tolagnaro.
– Ankasitrahana hatrany ireo olom-pirenena tsara sitra-po manome vaovao ho an’ny mpitandro ny filaminana satria fandraisana anjara lehibe amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra izany.

 

ANOSY : MPANGALATRA TAOLAM-PATY TELOLAHY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer