– Notanterahina ny 20 Oktobra 2026, tao amin’ny efitrano malalaky ny Cercle Antanimora, ny fanakatonana sy ny fampahafantarana ampahibemaso ny fintin’ny atrikasa fampizarana sy fampitomboana traikefa momba ny fisorohana ny herisetra ataon’ny Polisy, izay niarahana tamin’ireo Sampandraharaha momba ny Vonjy Taitra eto anivon’ny Polisimpirenena avy eto Antananarivo Renivohitra.
– Nanome voninahitra izany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA RAVONY Jean Victor ; ny Talen’ny Hery Vonjy Taitra eo anivon’ny Polisimpirenena, ny Tale misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC) ary ny Tale misahana ny Fikarohana Fandikan-dalàna (DPJ) .
– Niompana tamin’ny fanatsarana ny fomba fiasa, ny fampahatsiahivana ny lalàna momba ny fampiasana fitaovam-piadiana, ary ny fanamafisana ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa ny atrikasa.
– Nandritra izany no nanomezan’ny Tale Jeneraly toromarika sy fampaherezana ireo mpandray anjara mba hanatanteraka ny asany amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana, ao anatin’ny fanajana ny lalàna manan-kery, satria ny fanaovana ny marina hatrany no hanome endrika sy fijery vaovao ho an’ny Polisimpirenena.
– Nanomboka ny talata 13 oktobra 2026 ity atrikasa ity ary nifarana ny 20 oktobra 2026.


