– Fiofanana mitohy
– Nofaranana ny zoma 13 Novambra 2026 teny amin’ny tobin’ny GSIS Ivato, ny fiofanana momba ny fanadihadiana (Investigations), ny fakàna sy fanangonana porofo (Extraction) ary fiarovana olona mitàna andraikitra ambony (Protection de haute personnalité) izay nositrahan’ny solon-tena avy amin’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariam-pirenena.
– Nifantoka indrindra tamin’ny fampiharana teny an-kianja, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika ary ny paikady enti-miatrika ireo loza sy ambana mety hitranga mandritra ny iraka ny fiofanana.
– Notanterahina tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo manampahaizana manokana frantsay ny fampiofanana.
– Nanamarika ny fotoana ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana.
– Nanatrika izany ny Colonel BENINAZY Solofondrainibe, Officier adjoint au Commandement de Formation Spécialisée, sy ireo solontenan’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka, notarihin-dRamatoa Commissaire Principal de Police ANDRIAMIHARIMANANA Rojo, niaraka tamin’ireo lehiben’ny sampandraharaha manokana miady amin’ny asan-jiolahy.
– Nanomboka ny 02 Novambra 2026 ny fiofanana ary nifarana ny 13 Novambra 2026.
– Ny fiofanana hiarahana tahaka izao dia manamafy hatrany ny firaisan-kina misy eo amin’ny mpitandro ny filaminana malagasy.

IVATO : NISITRAKA FAMPIOFANANA MANOKANA MOMBA NY FIAROVANA AVO LENTA SY MATIHANINA NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer