– Fiofanana mitohy
– Nanomboka ny 10 Novambra tetsy amin »ny Sekoly Ambony ho an’ny Polisimpirenena Mamory (ENSP) Ivato ary haharitra hatramin’ny 02 Desambra 2026 ny fiofanana ho an’ny Stage de Commandant d’Unité Tactique na ny (SCUT) izay tanterahin’ireo Polisimpirenena misitraka izany.
– Ahitàna Polisimpirenena efa am-perinasa, Commissaires de Police sy Officiers de Police ary mpianatra ho Commissaire de Police sy Officier de Police avy amin’ny andiany « MIAHY » ireo mpiofana.
– Sedra sy sakana maro samihafa no hatrehin’ireo mpiofana, izay mifantoka amin’ny fanamafisana ny hakingàna, fahasahiana ary herim-batana no takina mandritra ny fiofanana fototra (formations initiales), mba hahafahan’izy ireo miatrika amim-pahombiazana ny andraikitra manokana amin’ny fitantanana vondrona taktika rehefa mamita iraka saro-pady.
– Fiofanana ho an’ny mpampiofana ity natao ity satria ho afaka hizara ny traikefa azony eto, any amin’ireo vondrona sy sampan-draharaha samihafa manerana ny Nosy ireo mpandray anjara.
– Andro sy alina no miatrika ny fiofanana izy ireo ary misy ny tombana atao tsy tapaka mandritra izany.

NISITRAKA FIOFANANA MANOKANA IREO POLISIMPIRENENA HO FANAMAFISANA SY FANAZARAN-TENA SADY FAMPITOMBONA NY TRAIKEFA HO AN’IREO MPIANDRAIKITRA VONDRONA MAMITA IRAKA SARO-PADY – « STAGE DE COMMANDANT D’UNITÉ TACTIQUE » (SCUT)

Vous pourrez aussi aimer