– Fiofanana mitohy
– Notanterahina tao amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano ny 17 Novambra 2026 ny fihaonambe isam-paritra ho an’ireo firenena aty Afrika Atsinanana, izay miompana amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny fisorohana sy ny ady amin’ny heloka bevava anabaka (cybercriminalité).
– Ny Birao isam-paritry ny Firenena Mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava ho an’i Afrika Atsinanana (ONUDC- ROEA), miaraka amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy, no nikarakara izao fihaonana izao.
– Delegasiona sy manampahefana maro avy amin’ireo firenena ao amin’ny faritra eto Afrika Atsinanana no nandray anjara tamin’izany.
– Tanjona lehibe tamin’ity fihaonambe ity ny fanamafisana ny fahatakarana sy fampiharana ny votoatin’ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny ady amin’ny heloka bevava an-tserasera sy ny maha-zava-dehibe izany ho an’ireo firenena aty Afrika Atsinanana.
– Tafiditra tao anatin’izany ihany koa ny fanohanana ireo firenena mpikambana amin’ny fanaovan-tsonia, ny fankatoavana ary ny fampiharana izany fifanarahana izany, tamin’ny alalan’ny fifampizarana traikefa momba ny fomba hahazoana sy fanangonana porofo elektronika, izay singa lehibe amin’ny fanadihadiana sy ny ady amin’ireo tambajotra mpanao heloka bevava amin’ny alalan’ny teknolojia.
– Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette.
– Notsindriany tao anatin’ny lahateniny fa sehatra iray ahafahana manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena aty Afrika Atsinanana izao fihaonambe izao, indrindra amin’ny fifampizarana traikefa sy fametrahana paikady iraisana hiatrehana ireo endrika fandikan-dalàna vaovao ateraky ny fivoaran’ny teknolojia.






