ADY AMIN’NY FAHAVEREZANA OLONA ETO MADAGASIKARA : NITSIDIKA NY « CENTRE OPÉRATIONNEL ANTI-ENLÈVEMENT » AO AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE TSARALALANA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

– Ho fanamafisana ny ady amin’ny fahaverezana olombelona dia nanara-maso ny fizotran’ny asa tetsy amin’ny « Centre Opérationnel Anti-Enlèvement », etsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, ny Alatsinainy 13 Jolay 2026 hariva,

TAFAPETRAKA NY IVOM-PIBAIKOANA ETSY AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE TSARALALANA, HANDRINDRA IREO PAIKADY REHETRA HAMPITSARAHANA NY FAHAVEREZANA OLOMBELONA SY FAMONOANA MAMPIAHIAHY

🛡️ Manoloana ny tranga hala-jaza, fahaverezana olon-dehibe ary vono olona mampiahiahy ; sy ny tebiteby aterak’izany eo amin’ny fiarahamonina, dia manamafy ny fandraisana andraikitra ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana ary ireo andrim-panjakàna hafa mety ho voakasika. Araka