👮‍♂️ Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
🚨 Lehilahy iray 32 taona no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny komisaria Foibe Avaradrano, eny Sabotsy Namehana ny Alatsinainy 27 Aprily 2026 tokony ho tamin’ny 07 ora hariva, tratra nangarom-paosy tao anaty taxibe zotra H.
📱 Finday iray no nangalariny ary mbola tratra teny aminy nandritra ny fisavana azy. Tsara afina tao anaty bĂ kiraro ilay finday saingy tsy namelan’ny Polisy raha tsy hita.
âś… Ny tompon’ilay finday no nitoroka avy hatrany raha vao nandalo Polisy ilay taxibe ka efa noahiahiany ity mpangarom-paosy ity. Ny Polisy rahateo manao ny asany ho tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka.
⚖️ Natolotra ny Fampanoavana ny Alakamisy 30 Aprily 2026 ity mpangaro-paosy ity ary nidoboka ao amin’ny fonjan’Avaradrano.
MPANGAROM-PAOSY IRAY ANATY TAXIBE ENY SABOTSY NAMEHANA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
