– Ady amin’ny asan-jiolahy.
– Trata teo ampangoronana entana avy nangalarina teny Manarintsoa Centre ity jiolahy iray efa malaza ratsy amin’ny resaka vaky trano ity ny faha 05 May 2026.
– Nanararaotra ny tsy fisian’olona tao an-trano izy ka nihevitra fa afaka nigalabona kanjo niverina tampoka ireo tompon-trano ka nahatratra azy teo ampibatàna entana. Avy hatrany dia noraisipotsiny izy ka niantsoana Polisy.
– Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nanononany ny lehilahy iray hafa mpiray tsikombakomba aminy mandray ireo entana halatra ireo ka nosamborina avy hatrany, izay mbola nahatratrarana entana halatra ihany koa tao aminy.
– Mila mailo hatrany manoloana ireo tontakely ary aza misalasala miantso ny Polisimpirenena amin’ireo olon-dratsy mialokaloka anaty fiarahamonina hahafahana mandray fepetra momba azy ireny.

 

JIOLAHY MPAMAKY TRANO ENY ISOTRY, SY NY NAMANY MPANDRAY ENTANA HALATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer