– Misy ny fiara-miasa akaiky eo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka amin’ny fiarovana ireo laza adina, mialoha, mandritra ary aorian’ny fanadinana Bakalorea izay hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 24 Jolay 2026 hoan’ny « bacc general » ary 27 ka hatramin’ny 30 jolay 2026 kosa hoan’ny « bacc technique sy professionnel ».
– Miantoka ny fiarovana sy ny fitaterana ireo laza adina ny Polisim-pirenena. Eo ihany koa ny fikarohana ireo minia manakorontana saim-bahoaka amin’ny fivarotana laza adina hosoka.
– Notanterahina ny 13 Jolay 2026 tetsy Anosy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, sy ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL.

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA – MESUPRES : FIAROVANA NY LAZA ADINA BACCALAURÉAT

Vous pourrez aussi aimer