– Taorian’ny nanateran’ny olona tsara sitra-po zaza very tao amin’ny Poste de Police Morarano Chrome ny 14 Jolay 2026, dia nandray andraikitra avy hatrany ny Polisimpirenena niaraka tamin’ny Lehiben’ny Boriboritany, ny Ben’ny Tanànan’i Morarano Chrome, ny Sefo Fokontany ary ireo Masera ao Ambaiboho, izay samy niara-niasa tamin’ny fiarovana sy fikarakarana ilay zaza sady nikaroka ny fianakaviany.
– Nampandrenesina ihany koa ireo Sefo Fokontany rehetra mba hampilaza raha misy mitady zaza very.
– Noho ny fiaraha-mientan’ireo rehetra voakasika sy ny fanamarinana nataon’ny Sefo Fokontany dia tafaverina soa aman-tsara teo anivon’ny reniny ilay zaza.
– Araka ny fantatra dia nentin’ny rainy ilay zaza ary tsy nifanarahana tamin’ilay reniny izany fihetsika izany ka teo no nahatonga ny sarovorovoro.
– Manentana ny rehetra hatrany ny Polisimpirenena amin’ny fahamailoana mba hisorohana ny tranga tahaka izao.