– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
– Tao Anosikely, Kaominina Ambanivohitra Anosivelo Farafangana, no nitrangan’ny halatra ny 07 Aogositra 2026.
Nisy namaky ny tranon’ny lehilahy iray 67 taona ka basy roa, vary iray gony ary entana maro no very.
– Nanao ny fikarohana sy nampiasa ny fahaiza-manaony ny Polisy ka voasambotra ny 08 Aogositra 2026 ny lehilahy iray 21 taona tompon’antoka tamin’ny halatra.
-Nambarany nandritra ny famotorana fa efa namidiny tamin’ny vehivavy iray monina ao Farafangana ireo basy roa.
– Ny 09 Aogositra 2026, dia nanao fisavana trano ny mpitandro filaminana. Hita tao amin’ny trano fonenan’ilay vehivavy ireo basy roa.
– Tanana atao fanadihadiana izy ireo ary hatolotra ny fampanoavana ny raharaha rehefa vita izany.

 

FARAFANGANA : LEHILAHY NANGALATRA BASY ROA SY VEHIVAVY IRAY NIVIDY IREO BASY HALATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer