đŸ›Ąïž Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
👼 Nahitam-bokany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana tao amin’ny faritra Atsinanana, izay notanterahin’ireo Polisy miasa any an-toerana. Anisan’ny vokatra azo tsapain-tanana tamin’izany ny fisamborana olona maromaro voarohirohy tamin’ny raharaha halatra samihafa.
🚹 ANKARAOBATO TANAMBAO VERRERIE : Olona dimy no voasambotry ny CRFIPN Atsinanana, ny 16 Oktobra 2026, tao Ankaraobato Tanambao Verrerie sy BĂ©ryl Vert. Efa isan’ireo tambajotra mpamaky trano sy mpangalatra omby any amin’ny faritra Betainomby sy Tsarahonenana izy ireo.
🚔 MAHANORO : Olona 02 no voasambotry ny Polisy ao amin’ny Kaomisaria Mahanoro noho ny raharaha halatra samihafa. Lehilahy iray hafa kosa no voasambotra tao tao amin’ny Fokontany Ambalakininina ny 16 Oktobra 2026, tratra nangalatra akoho amam-borona, ary mbola teny aminy avokoa ireo biby fiompy nangalariny.
⚖ Taorian’ny fanadihadiana, natolotra ny fitsarana ireo voarohirohy ny 16 Oktobra 2026, ary nidoboka am-ponja avokoa.

FITALEAVAM-PARITRA FILAMINAMBAHOAKA ATSINANANA : VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA IREO TAMBAJOTRA MPAMAKY TRANO SY IREO MPANGALATRA SAMIHAFA

Vous pourrez aussi aimer