🛡️ Ady amin’ny tsy fanarahan-dalana sy fisorohana ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra.
👮‍♂️ Noho ny fitomboan’ny lozam-pifamoivoizana matetika miseho dia nanao hetsika ny Polisimpirenena, niaraka tamin’ny BAC Tsaralalana sy ny DTMU eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Alahady 18 oktobra 2026.
⚠️ Ny kodiaran-droa, indrindra ireo manao hazakazaka mampidi-doza ny hafa eny amin’ny lalana Rocade no tena nokendrena tamin’izany.
🏍️ Toerana maro no nanaovana ny hetsika, anisan’izany ny Rocade Andohatapenaka, ao ambadiky ny Score Digue, ny sampanana Ambohitrimanjaka ary ny Rocade Nanisana.
🚔 Natao izany mba hanentanana ireo mpitondra kodiaran-droa hanaja ny lalà na mifehy ny fifamoivoizana ; nisy ny fisavà na ny tahan’ny alikaola amin’ireo mpamily, izay anisan’ny antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana.
🚨 Moto miisa 300 mahery no nosavaina sy noentanina ka ny 50 tamin’ireo no nahitana tsy fanarahan-dalana.

