⚔️ Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy fanamafisana ny fandriam-pahalemana.
🚔 Tsy voatery miandry ny faran’ny herinandro ny hetsika manokana fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ataon’ny Polisimpirenena ; ny alin’ny Alatsinainy 19 Oktobra 2026, dia nisy ny fisavàna ny tahan’ny alikaola amin’ireo mpamily fiara sy kodiaran-droa, niarahan’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe sy ny Brigade des Accidents de la Circulation (BAC) Tsaralalàna. Teny amin’ny faritra 67ha sy ny manodidina no nifantoka ny hetsika iray ity.
🔎 Miara-dalana amin’izany ihany koa ny hetsika fampandriana fahalemana tamin’ny fisafoana alina, izay natao teny amin’ireo elakelan-trano sy ny tsena, ho fanamafisana ny fandriam-pahalemana.
🚗 Nandritra izany dia mpamily iray no tratra nitondra fiara tao anatin’ny fahamamoana.
🏍️ Moto miisa 04 no hita fa tsy manana fahazoan-dalana hitondra kodiaran-droa ny mpamily ary moto iray no lany fiantohana.

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : MITOHY HATRANY NY HETSIKA FANAMAFISANA NY FANDRIAM-PAHALEMANA SY FISOROHANA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA, NAMPITOMBOINA NY FITILIANA NY TAHAN’NY ALIKAOLA SY FISAVANA IREO FIARA MIVEZIVEZY AMIN’NY ALINA ATAON’ NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer