-Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
-Tonga nitsidika ny kaominina ambanivohitra Ampanefy Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka eto Analamanga, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAFALIMANANA Alain Adonis, ny Talata 10 Novambra 2026.
-Nandritra ny fidinana ifotony dia namory ireo tompon’andraikitry ny kaomina Ampanefy, ireo Filohan’ny fokontany ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaomisaria Foibe Antananarivo Atsimondrano izy.
-Nodinihana tamin’izany ny mikasika ny tsy fandriam-pahalemana izay nihanahazo vahana tao amin’ny kaominina Ampanefy ka hitadiavam-bahaolana miaraka.
– Hisy ny « opération Coup d’arrêt » hatao hamerenana ny fandriampahalemana eny an-toerana ka hampitomboina ny isan’ny Polisy miasa ary ampitomboina koa ny fitaovana ampiasan’izy ireo toy ny moto mba hanamafisana ny fisafoana.
-Hisy ihany koa ny vina ho fametrahana Poste de Police Avancée ao amin’ny fokontany Malaho izay ho tanterahan’ny kaominina ka ho vitaina alohan’ny faran’ny taona 2026.
– Nohenoina ihany koa araka izany ny tolo-kevitra avy amin’ireo vondronolona ifotony. Manentana ny vahoaka ny
– Polisimpirenena mba hifanome tanana azy ireo amin’ny fampilazàna haingana raha misy tranga tsy fandriam-pahalemana fa indrindra ny fitorohana ireo olon-dratsy.


