– Tonga nitsidika ny Toby FIP Antanimora sy ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna androany 16 Novambra 2026 ny Tale Jeneraly lefitry ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police SERALY Hercule.
– Nandritra izany no nihaonany tamin’ireo Polisy miasa eny anivon’ireo sampana roa ireo, ka nanomezany toromarika sy fampahatsiahivana mikasika ny fitondran-tena mendrika, ny fifehezan-tena, ny fanajana ny fitsipika mifehy ny asa indrindra ny ady amin’ny kolikoly , ary ny firaisankina eo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra .
– Nohamafisiny ihany koa ny tokony hanamafisana ny fahamailoana sy ny fahavononana amin’ny fiatrehana ny fety ho avy, mba hiantohana hatrany ny filaminana sy ny fandriampahalemana.

ANTANANARIVO : TONGA NITSIDIKA SY NITARIKA NY FAMORIANA FAOOBE TENY AMIN’NY TOBY FIP ANTANIMORA SY NY KAOMISARIA FOIBE TSARALALÀNA NY TALE JENERALY LEFITRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer