👤 Tonga nitsidika ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL, tao amin’ny toeram-piasany ao Anosy, ny solontenan’ny ONG BIENVENUE, ny 07 Mai 2026. Nitarika izany Andriamatoa Marc BLANCKAERT, Filohan’ny ONG BIENVENUE, niaraka tamin-dRamatoa Marie CĂ©cile ALLART Filoha lefitra.
🗣️🤝 Nanomboka ny taona 1998, ny ONG BIENVENUE no efa nanohana ny Ministeran’ny Filaminambahoaka amin’ny fikarakarana sy fitaizana ireo zaza kambotin’ny Polisimpirenena tezaina ao amin’ny Akany Ambatolampy.
🔄 Nifantoka tamin’ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy fanabeazana ankizy ao amin’ny Akany Ambatolampy ny dinika teo amin’ny roa tonta

 

ONG BIENVENUE, MISEHATRA AMIN’NY FIAROVANA NY ANKIZY : NANATANTERAKA FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA AN’ANDRIAMATOA MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer