đ
Tontosa ny Talata 05 Mey 2026 Maraina , tetsy amin’ny Ministeran’ny Filaminaninbahoaka Anosy ny fizarĂ na ny taratasy fanendrena andraikitra hoan’ireo Commissaire de Police miisa 30 sy Officier de Police miisa 48 avy amin’ny andiany « MENDRIKA ».
đïžTonga nanome voninahitra izany ny Tale Jeneralinâny Polisimpirenena, ny ContrĂŽleur GĂ©nĂ©ral de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor niaraka tamin’ny Tale misahana ny fita ntanana maha olona eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminaninbahoaka, ny ContrĂŽleur GĂ©nĂ©ral de Police RAMAMPIANDRY Nicolas.
đŁïžđąNandritra ny lahateny izay nataon’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena no nanomezany tsodrano an’ ireto Polisy vao handray andraikitra ireto. Nanome baiko hentitra ihany koa izy mba ho Polisy miasa am-pahitsiana, am-pahamarinana, ary indrindra ho Polisy matihanina hatrany izy ireo aminâny fanatanterahana ny asany.
âĄïžIzao fanendrena izao dia natao hanatevenana sy hanamafisana hatrany ny ady aminâny tsy fandriampahalemana. Tanjona ny ho Polisy manakaiky vahoaka, ka hiparitaka manerana ny Nosy ireto Polisy ireto hanatanteraka izany iraka izany.

