❌ Ady amin’ny asan-jiolahy
👮 Mitohy tsy mijanona ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka (DRSP) Vakinankaratra amin’ny famongorana ireo asa ratsy isan-karazany. Hetsika nifanesy mantsy no nahatrarana lehilahy dimy (05) malaza ratsy amin’ny vaky trano sy fanendahana.
🚨 Ny telo tamin’ireto jiolahy ireto dia voasambotry ny Hery Vonjy Taitra (UIR) ao amin’ny Kaomisaria Foibe Antsirabe, ny alin’ny 13 Mey 2026 tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Loharanom-baovao marim-pototra no nahafahana nisambotra azy ireo teo am-panaovana ny asa ratsiny manodidina an’i Zaodahy Antsenakely Antsirabe.
💼 Tao amin’ny Kaomisaria Ambatolampy indray, nahitam-bokany ny hetsika manokana « MAHOMBY » izay nohamafisin’ny Polisy ny fanatanterahana izany. Jiolahy roa nikasa handeha hamaky trano no tra-tehaka nandritra ny fisafoana. Fitaovana fampiasana amin’ny vaky trano maro moa no hita teny am-pelatanan’izy ireo nandritra ny fisamborana.
⚖️ Niaiky ny asa ratsy nataony izy dimy lahy ireto nandritra ny famotorana. Natolotra ny Fitsarana izy ireo ary efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.
➡️ Manamafy hatrany ny Polisim-pirenena fa tsy hilefitra amin’ireo mpanao ratsy mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Manentana ny rehetra hifanome tanana amin’izy ireo hatrany koa amin’ny alalan’ny fanomezana vaovao marim-pototra.
FARITRA VAKINANKARATRA – ANTSIRABE SY AMBATOLAMPY : JIOLAHY DIMY MALAZA RATSY AMIN’NY VAKY TRANO SY FANENDAHANA NO TRATRAN’NY POLISY
