👮🏿Tsiahivina hatrany, na dia maro ireo efa mahatsapa, fa samy tompon’andraikitra avokoa ny mpampiasa lalana rehetra amin’ny hahafahana mampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Andrenivohitra.
đźš” Noho izany indrindra dia tsy miraviravy tanana ny Polisimpirenena fa mikaroka ny vaha olana rehetra ary tsy mitsahatra manao fanentanana mba hampihena izany fitohanana izany, indrindra amin’ireo teboka mainty mampisy ny fitohanana.
âś… Anisan’ny paikady ampiasaina ny tari-dalana amin’ny fanabeazana sy fanentanana ary manasazy raha ilaina izany. Mila mahatsapa tena amin’ny fanajĂ na ny fitsipika sy lalĂ n’ny fifamoivoizana, eny fa hatramin’ny fifanajĂ na sy fifandeferana kosa anefa ny rehetra : na mpitondra fiara, na kodiaran-droa, na ny sarety, ny mpandeha an-tongotra sy ny mpivarotra manamorona ny arabe.
FANAMAIVANANA IREO FITOHANAN’NY FIFAMOIVOZANA MIDITRA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA : NOJERENA MANOKANA IREO TEBOKA MAINTY, NY TENY ANKADIMBAHOAKA INDRAY NO NANAOVANA HETSIKA MANOKANA