-Fanadaminana ny fifamoivoizana
– Tontosa ny 20 Mey 2026 teny amin’ny Sekoly Ambony ho an’ny Polisimpirenena (ENSP) Mamory Ivato ny atrikasa momba ny famerenana ny “Police de la route ”, izay miompana amin’ny famerenana ny fanasaziana ho an’ireo mpandika lalàna sy mihoa-pefy eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana, taorian’ny nijanonan’izany nandritra ny enim-bolana ka nifantohana tamin’ny fanentanana.
– Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Fetra RALAMBOZAFIMBOLOLONA ; ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny Tanànan’Antananarivo, Andriamatoa RALAMBOMANANA Fenoherintsoa ; ary ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Jean Victor, izay nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity atrikasa ity. Ny prefen’Antananarivo, ANDRIASY Vonjy Maminjanahary. Nikarakara izao atrikasa izao moa ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga izay tarihin’ny Talem-paritra, ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis.
– Nanotrona izany ihany koa ny Talen’ny Fitaterana an-Tanàn-dehibe eto Antananarivo Renivohitra (DTMU), ny Contrôleur Général de Police AINANIRINA Albert Estel, niaraka tamin’ireo mpisehatra sy mpampiasa lalana rehetra ato amin’ny Faritra Analamanga.
– Ny tanjon’ity atrikasa ity dia ny hitadiavana vahaolana iarahana, mba hananana fijery mitovy sy mirindra amin’ny famerenana ny “Police de la route”, hisorohana ny fanararaotana ary hampahomby ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
– Nandritra ny fandraisam-pitenenana sy ny famelabelarana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena dia nanamafy ny tenany fa herinandro aorian’ity atrikasa ity ny fotoana omena ny rehetra hiomanana sy hanentanana ny sehatra iandraiketany, dia ho hentitra ny fampiharana ny lalàna. Miantefa amin’ireo rehetra minia mandika lalàna izany, ary koa amin’ireo mpampiasa lalana tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
– Nizara ho komisiona miisa telo (03) ireo mpandray anjara, nahafahana nandinika ireo olana misy sy ny fototry ny olana, ary nitondràna soso-kevitra hamahana izany. Ireto avy ireo komisiona natsangana : Komisiona misahana ny Lalàna, Komisiona misahana ny Fampiharana eny an-kianja ary Komisiona misahana ny Fampianarana sy Fanabeazana.
– Nofaranana tamin’ny fanaovana sonia ny fifanarahana (charte) ity atrikasa ity, izay nataon’ireo solontenan’ny mpandray anjara rehetra tonga teny an-toerana, ho fanamafisana ny fanekena hanaja sy hampanaja ny lalàn’ny fifamoivoizana, ho fampanjakàna ny filaminana sy ny fandriampahalemana eny an-dalana ; izany dia mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro hatrany.

SEKOLY AMBONY HO AN’NY POLISIMPIRENENA (ENSP) IVATO : NANAO ATRIKASA MIALOHAN’NY FAMERENANA NY FANASAZIANA HO AN’ IREO MIHOA-PEFY EO AMIN’NY SEHATRIN’NY FIFAMOIVOZANA IREO TOMPON’ANDRAIKITRA EO ANIVON’NY POLISIMPIRENENA SY NY KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA MIAMPY IREO AVY AMIN’NY SEHATRA TSY MIANKINA.

Vous pourrez aussi aimer