Polisimpirenena Miaro sy Manampy ny Vahoaka
🛡️ Manamafy hatrany ny asa sy andraikitra sahaniny ny Polisimpirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany manerana ny Nosy nandritra ny Alahady sy Alatsinain’ny Pentekoty.
👮‍♂️ Manao fisafoana sy fiambenana eny amin’ireo toerana be olona, miantoka ny filaminan’ny fifamoivoizana amin’ireo fivoahana amin’ny lalam-pirenena ; misafo ny any anaty tanana sy elakelatrano rehetra, ary mandray an-tanana avy hatrany ireo tranga mety hanakorontana ny fandriampahalemana.
✊ Ny Polisimpirenena dia mijoro hatrany ho aro sy andrin’ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka Malagasy.
📢 Entanina hatrany ny rehetra tsy hisalasa hifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny fanomezam-baovao raha misy tranga mampiahiahy.
ALATSINAIN’NY PENTEKOTY – POLISIMPIRENENA : MITOHY HATRANY NY ASA FIAROVANA SY FITANDROANA NY FILAMINAMBAHOAKA, TANJONA NY FETY HIEREN-DOZA