👮♀️ Notanterahina tao amin’ny Ivontoeram-pampiofanana an’ny Ladoany malagasy tetsy Tsaralalàna, nanomboka ny 15 Jona ka hatramin’ny 17 Jona 2026 ny atrikasa fampiofanana ireo mpampiofana mahakasika ny fikarohana fandikan-dalàna amin’ny raharaha ara-bola mifandraika amin’ny heloka bevava amin’ny tontolo iainana izay nandraisan’ny Polisimpirenena anjara.
‎👥 Ity atrikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana ONG TRAFFIC, ny SAMIFIN, ny ARAI (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites) ary ireo Mpitandro ny filaminana.
‎🎯 Tanjona amin’izao fiofanana izao ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpampiofana avy amin’ireo rantsa-mangaika nasionaly, mba ho afaka hamolavola sy hitarika am-pahaleovantena ny fampiofanana momba ny fanadihadiana ara-bola, ary indrindra mba hanatsaràna ny fandrindràna ny asa fanadihadiana izay tarihin’ireo Polisy mpikaroka fandikan-dalàna (OPJ).
‎🤝 Nitarika ny fampiofanana tamin’izany Ramatoa RAZAFINDRAKOTO Navalona, Mpitsara sady Lehiben’ny fampodiana ny harena azo tsy ara-dalàna ao amin’ny ARAI, Ramatoa RALIVOLOLONA Hanitra, Manampahaizana manokana momba ny Lalàna ao amin’ny ONG TRAFFIC , ary Andriamatoa Joseph RAKOTONDRAMANANA, Mpanolotsaina ara-teknika ao amin’ny ONG TRAFFIC.
‎👉 Tonga nanatrika sy nisolo tena ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny Tale misahana ny fikarohana fandikan-dalàna, ny Commissaire Divisionnaire de Police RABENANDRASANA Jean Marcel.

FIKAROHANA FANDIKAN-DALANA AMIN’NY RAHARAHA ARA-BOLA MIFANDRAIKA AMIN’NY HELOKA BEVAVA SY AMIN’NY TONTOLO IAINANA : NISITRAKA FAMPIOFANANA IREO MPAMPIOFANA AVY AMIN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer