✅ Notanterahina ny talata 23 Jona 2026 ny Hazakazaky ny Fahaleovantena, niainga teo amin’ny Coliseum Analamahitsy. Hetsika iraisana teo amin’ny mpiasa amin’ny sehatra maro, ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ary ireo Hery Fiarovana sy Filaminana no nanatanteraka izany.
🔹 Nitarika ny hetsika teny an-toerana ny mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fanavaozana, ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ary ny Filohan’ny Antenimierampirenena niaraka tamin’ireo manampahefana sivily sy miaramila maro.
⚽ Taorian’ny hazakazaka dia notanterahina teo amin’ny Kianjan’ny Fanatanjahantena Alarobia ny lalao baolina kitra izay nifanandrianan’ny avy ao amin’ny Governemanta sy ireo andrim-panjakàna samihafa tamin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana.
👮 Nandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity ny Polisimpirenena, notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, izay nisolo tena ny Minisitry ny Filaminambahoaka.
➡️ Nanjaka ny firaisankina teo amin’ireo mpandray anjara rehetra nandritra ny hetsika , anisan’ny fanamarihana ny faha 66 taona niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ity hazakazaka ity.

FANKALAZANA NY FAHA-66 TAONAN’NY NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA SY NY NIJOROAN’NY FOLOALINDAHY MALAGASY : HAZAKAZAKA SY LALAO ARA-PANATANJAHANTENA NOTANTERAHINA TENY ATSONJOMBE SY KIANJAN’ALAROBIA NAMPISEHO FIRAISAN-KINA.

Vous pourrez aussi aimer