đź‘® Lehilahy iray 31 taona no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny Division STUP Boeny ny Sabotsy 18 Jolay 2026, tao amin’ny Fokontany Manga, Kaominina Mahajanga Renivohitra, taorian’ny fanangonam-baovao sy ny hetsika natao hiadiana amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika.
🖲️ Tamin’izany no nahatrarana rongony antsoina hoe « skunk » izay efa voatsinjara anaty fonosana ary vonona hamidy.
⏳Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fampanoavana ilay lehilahy ka nampidirina am-ponja.
✅Ankasitrahana ny olona tsara sitra-po manome vaovao ny Polisimpirenena amin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Voaporofo fa anisan’ny mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana sy herisetra eny amin’ny fiaraha-monina ny fidorohana azy ireny.

MAHAJANGA : LEHILAHY 31 TAONA TRATRA NIVAROTRA RONGONY « SKUNK », NAIDITRA AMPONJA

Vous pourrez aussi aimer