– Zazavavy roa, ka ny iray 17 taona ary ny iray 2 taona sy tapany, no naterin’ny Polisin’ny UIR Antsirabe tao amin’ny PMPM Antsirabe, ny Zoma 31 Jolay 2026, taorian’ny nahitana azy ireo irery teny amin’ny faritra Vatofotsy Piste.
– Araka ny fanazavan’ilay zazavavy lehibe dia avy namonjy fandevenana tany Fianarantsoa izy ireo niaraka tamin’ny renin’ilay zaza. Rehefa tonga teo amin’ny fiantsonana anefa dia nilaza haka vola ho saran-dalana hiverenana any Tsiroanomandidy ilay renin’ilay zaza, saingy tsy niverina intsony.
– Noraisin’ny Polisimpirenena an-tanana avy hatrany izy mirahavavy, ary nampandrenesina ny sampan-draharaha PMPM. Efa nampandrenesina ihiany koa ny fianakaviany ka efa nandefa saran-dalana hiverenany any Tsiroanomandidy.
ANTSIRABE : ZAZAVAVY ROA NILAOZAN’NY RENINY, NORAISIN’NY POLISIMPIRENENA AN-TANANA
