– Ady amin’ny tsy fahadriam-pahalemana
– Olona fito no nosamborin’ny Polisimpirenena tao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano, ny 02 Aogositra 2026, taorian’ny fampitam-baovao momba ny fisian’olona mampiahiahy nanara-maso sy naka sary ny fivezivezen’olona iray sy ny fianakaviany tao Soavinimerina.
– Taorian’ny antso fampandrenesana dia nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy, ka nanao fanarahan-dia sy fikarohana nahafahana nisambotra ireo olona enina voalohany. Hita niaraka tamin’izy ireo ny fiara iray sy moto roa izay voalaza fa nampiasaina nandritra ny fanaraha-maso nataon’izy ireo tamin’ny lasibatra.
-Nohamafisina ny fanadihadiana ka voasambotra ihany koa tatỳ aoriana ilay vehivavy voalaza ho mpaniraka.
– Araka ny fanadihadiana natao dia nambaran’ireo voasambotra fa nokaramaina hanara-maso ny fiainan’ilay lasibatra sy ny fianakaviany izy ireo arymanao tatitra antsimpirihany momba izany any amin’ilay ramatoa mpaniraka.
– Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena mba hamantarana ny antony sy ny tambajotra rehetra mety voakasik’ity raharaha ity, ary handraisana ny fepetra rehetra araka ny lalàna.
– Ankasitrahana ny mpanome vaovao haingana nahafahana nandray fepetra sy misoroka ny zava-doza kinasan’ireto olon-dratsy ireto.
