– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra.
– Mitohy ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena ao amin’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Tao anatin’ny hetsika « MAHOMBY » dia nahitana vokatra tsara teo amin’ny ady amin’ny vaky trano, halatra biby fiompy ary harom-paosy.
– Lehilahy roa no voasambotra noho ny halatra akoho sy gisa, ka samy natolotra ny Fampanoavana ny 03 Aogositra 2026 ary nampidirina am-ponja vonjimaika.
– Etsy ankilany, nandritra ny hetsika manokana nataon’ny Polisin’ny UIR hiadiana amin’ny harom-paosy ny 31 Jolay 2026, dia olona telo (03) no voasambotra. Finday iray avy nangalarina no tratra teny amin’izy ireo.
– Taorian’ny fanolorana azy ireo teny amin’ny Fampanoavana ny 03 Aogositra 2026 dia nampidirina am-ponja izy ireo.
– Marihina fa efa tambajotra mpameri-keloka amin’ny harom-paosy ireo voasambotra ireo, izay efa nampitaraina olona maro ao Fianarantsoa.
– Mamporisika hatrany ny vahoaka ny Polisimpirenena mba hiara-hiasa amin’ny fanomezana vaovao hahafahana misambotra ireo olon-dratsy.

 

FIANARANTSOA : OLONA DIMY (05) VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA NY HETSIKA MAHOMBY NOHO NY HALATRA SY VAKY TRANO ARY NY HAROM-PAOSY, NIDOBOKA AM-PONJA AVOKOA

Vous pourrez aussi aimer