– Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
– Lehilahy iray 54 taona, mpamatsy rongony ao Toamasina, no nosamborin’ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina any an-toerana ny 4 Aogositra 2026.
– Olon-tsotra tsara sitra-po no nanome ny loharanom-baovao ka nanaovana velam-pandrika nahafahana nisambotra ity mpivarotra rongony ity.
– Fantatra fa efa mpameri-keloka amin’izany izy.
– Mbola mitohy ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’izay.
TOAMASINA : LEHILAHY IRAY MPAMATSY RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
