– Vehivavy iray namitaka olona maro tamin’ny anarana hoe « Kalamena », no nosamborin’ny Polisy noho ny fisandohana ho Polisy sy fisolokiana.
– Ny 08 Aogositra 2026, tao Tanambao, Antsirabe no nahatrarana azy, ary nandritra ny fisavana tao an-tranony dia tratra tao ny fanamiana Polisy, izay nampiasainy tamin’ny fisandohana ny maha-Polisy azy.
– Taorian’ny famotorana nataon’ny SRPJ Vakinankaratra, dia natolotra ny fitsarana ny 10 Aogositra 2026 izy ka nidoboka ao amin’ny fonjan’Antsirabe.

 

ANTSIRABE : VEHIVAVY IRAY NISANDOKA HO POLISY SY NISOLOKY OLONA MARO, VOASAMBOTRY NY POLISY.

Vous pourrez aussi aimer