– Fiarovana ireo sokajin’olona marefo.
-Ny 17 Aogositra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, teo anoloan’ny vavahady lehibe amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, dia nahatsikaritra vehivavy iray tombanana ho 48 taona, tsy fantatra anarana, tsy manan-kialofana ary hita fa tsy salama, ny Polisy niasa teo an-toerana.
-Nandray andraikitra avy hatrany ireo Polisy ka niantso ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna, izay tonga teny an-toerana ary nitondra ilay vehivavy teny amin’ny Hopitaly Befelatanana mba hahazoany fitsaboana sy fikarakarana ara-pahasalamana.

 

MAHAMASINA : VEHIVAVY IRAY TSY MANAN-KIALOFANA TOJO TSY FAHASALAMANA NOVONJEN’NY POLISIMPIRENENA SY NY MPAMONJY VOINA

Vous pourrez aussi aimer