👉 Ady amin’ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana, fiarovana ny vahoaka sy ny fananany
👮‍♂️ Lehilahy iray nangalatra solosaina miisa roa no voasambotra nandritra ny fisafoana an-tongotra nataon’ireo Polisy avy ao amin’ny PPA2 Ankorondrano, niaraka tamin’ireo vaomieran’ny fandriampahalemana ny 13 Oktobra 2026.
đźš” Tao Ankarobato sy Bararata By-Pass, Antananarivo Atsimondrano, dia lehilahy efatra no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Tanjombato, ny roa voasambotra taorian’ny vaky trano nataon’izy ireo tao Ilondika Ambodivoanjo ny 12 Oktobra 2026.
🎯 Ny roa hafa kosa dia voasambotra ny 12 Oktobra 2026 noho ny fanendahana nataon’izy ireo teny Bararata By-Pass.
🚨 Samy niaky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny fanadihadiana.
🔎 Etsy ankilany, tao amin’ny faritra Ramala, Antananarivo I, dia tovolahy roa no tratran’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Isotry ny 14 Oktobra 2026 tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, raha teo am-panaovana harom-paosy.
✅ Nisy fampandrenesana avy amin’ireo mpivarotra sy ny fokonolona no nahafahan’ny Polisy nidina teny an-toerana.
👉 Samy nanaovana fanadihadiana any amin’ny birao’ny Polisy any an-toerana izy ireo alohan’ny anolorana azy eo anivon’ny fampanoavana.
ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA : OLONA FITO VOASAMBOTRY NY POLISY NOHO NY HALATRA, VAKY TRANO, HAROM-PAOSY ARY FANENDAHANA.
