– Fiarovana ny olona sy ny fananany
– Ny 17 Novambra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, tao Avaradrova Avaratra, Ambatondrazaka, dia nisy lehilahy iray nanao fisolokiana tamina Cash Point.
– Tonga nanao fametrahana vola 200 000 Ariary (dépôt) ilay lehilahy, ary niverina 30 minitra taorian’izay mba haka vola mitentina 2 000 000 Ariary. Rehefa azony ilay vola dia lasa haingana tamin’ny taxi-moto izy. Niahiahy ilay tompon’ny Cash Point ka nanamarina ny kaontiny, ary nahita fa hafatra sandoka namboarina no nampisehoana tamin’ilay famindram-bola, fa tsy nisy akory ny vola niditra.
– Taorian’ny fampandrenesana ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Ambatondrazaka dia nanao ny fikarohana ity mpisoloky ity ka tratra tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona.
– Tanana atao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana ity lehilahy ity ary ho atolotra ny fampanoavana rehefa vita izany.
– Ankasitrahana hatrany ireo olom-pirenena tsotra amin’ny fahatokisana ny Polisimpirenena ka manome vaovao haingana sy mandray anjara amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana.

 

AMBATONDRAZAKA : LEHILAHY IRAY NISOLOKY « CASH POINT » VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer