– Ady amin’ny hosoka isan-karazany.
– Lehilahy iray no nosamborin’ny Polisy tao Mananjary ny marainan’ny 05 Mey 2025, taorian’ny fitarainana nataon’ny mpivarotra iray, voafitak’ity olon-dratsy ity tamin’ny vola sandoka.
– Rehefa nahatsikaritra ilay mpivarotra fa vola sandoka no azony dia nampandre avy hatrany ny Polisimpirenena. Vokany, tra-tehaka ilay lehilahy rehefa nanao ny fikarohana rehetra sy angom-baovao ny Polisy.
– Nandritra ny fisavana natao taminy dia mbola nahitàna vola sandoka mitotaly 120 000 Ariary teny aminy. Niaiky ihany koa izy fa azy ireo vola sandoka ireo.
– Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’ny Mananjary ity lehilahy ity ary mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny Polisy mba hamantarana ny loharano sy ny mety ho tambajotra ao ambadik’ity raharaha ity.
