👮‍♂️ Ady amin’ny fisolokiana
âś… Ny 10 Mey 2026 tamin’ny 06 ora maraina, lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny komisaria CSP II Ambohijatovo teny Amparihy Haute Ville, taorian’ny fitoriana napetraky ny vehivavy iray lasibatry ny fisolokiana tamin’ny Facebook.
📱 Pejy sandoka milaza ho an’ny “Direction des Douanes” no nampiasain’ity lehilahy ity, ka nanao dokambarotra momba ny varotra entana amin’ny alalan’ny lavanty, tsy misy anefa izany.
🚨 Voafitaka ny vehivavy iray ka nandefa vola 5 400 000 Ariary ho famandrihana entana.
🔎 Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ny Polisy dia voasambotra ity mpisoloky ity. Tsy vitan’izay fa mbola mampiasa taratasy hosoka ihany koa izy.
📂 Fantatra fa maro ireo olona efa lasibatra tamin’ny fisolokiana nataony ary efa nisy fitoriana maromaro napetraka momba azy.
🛡️ Mila mailo hatrany amin’ny fampiasĂ na ny internet sy tambazotran-tserasera isan-tsokajiny na Facebook, na Instagram na tiktok sy ny hafa. Maro ny mpisandoka satria tsy mifanatri-tava mivantana fa miafina ambadiky ny « écran ».
📣 Na izany na tsy izany, ny Polisimpirenena dia mandray ny andraikiny feno mba hahitĂ na vokatra tahaka izao ho fiarovana ny vahoaka amin’ireo mpisoloky sy mpisandoka, aza misalasala manao fitorohana na fitoriana rehefa misy mampiahiahy.
AMPARIHY HAUTE VILLE : MPISOLOKY GAIGILAHY IRAY AO ANATY FACEBOOK VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
