👮‍♂️ Fanamafisana ny filaminana sy fanarahan-dalàna
đźš” Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambohipo sy Ambolokandrina ny Polisimpirenena ny alin’ny 16 May hifoha 17 May 2026.
âś… Hetsika fandaminana ireo toeram-piantsonana izay miteraka fitohanana ary fanaraha-maso ny taratasin’ireo toeram-pisotroana.
👮‍♂️ Notarihin’ny lehiben’ny komisaria CSP2 Ambohijatovo, ny Commissaire de Police RATSIMBAHARIVELO Faniry niaraka tamin-dRamatoa ANDRIANASOLO Rindra Henintsoa Olga, lefitry ny lehiben’ny distrika Tana II ny hetsika.
♻️Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanentanana ireo tompon’andraikitra ifotony toy ny vaomieran’ny Filaminana momba ny fanentanana amin’ny fampanarahan-dalĂ na sy ny fitandroana ny filaminambahoaka
⚠️ Nohamafisina fa hidiana ireo bar tsy manara-dalàna sy ireo tsy manana taratasy ara-dalàna mifehy ny asa ataony.
🛡️ Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisim-pirenena amin’ny fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka.

AMBOHIPO – AMBOLOKANDRINA : NIDINA IFOTONY NANAO FANARAHA-MASO IREO TOERAM-PISOTROANA NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer